John 3

1Ary nisy Fariseo iray antsoina hoe Nikodemosy, mpitarika Jiosy. 2Nanatona an’i Jesosy tamin’ny andro alina io lehilay io ary niteny taminy hoe: ‘’Raby, fantatray fa mpampianatra izay avy amin’Andriamanitra Ianao, satria tsy misy mahavita ireo famantarana ataonao raha tsy miaraka aminy Andriamanitra.‘’

3Dia namaly azy Jesosy nanao hoe: “Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy hahita ny fanjakan’ Andriamanitra izy.” 4Nikodemosy niteny taminy hoe: “Amin’ny fomba ahoana no hahateraka ny olona iray raha efa antitra izy? Tsy afaka hiditra fanindroany ao an-kibon-dreniny izy ary hateraka, sa ve afaka?‘’

5Namaly Jesosy hoe: ‘’Lazaiko aminao marina, dia marina tokoa, fa raha tsy nateraka tamin’ny rano sy ny fanahy ny zanak’olona, dia tsy afaka hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. 6Izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

7Aza gaga amin’izay nolazaiko anao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ 8Ny rivotra mitsoka na aiza na aiza iriany; renao ny feony, fa tsy fantatrao izay niaviany na izay alehany. Tahaka izany avokoa izay ateraky ny Fanahy.”

9Namaly Nikodemosy ka niteny taminy hoe: “Ahoana ny fomba hahatanterahan’izany zavatra izany?” 10Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: “Mpampianatra an’Israely ve ianao, dia mbola tsy azonao ihany izany zavatra izany? 11Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa izay fantatray no resahanay, ary izahay manambara ny momba izay hitanay. Kanefa mbola tsy manaiky ny fanambaranay ianareo.

12Raha nanambara taminareo ny zavatra tety an-tany Aho nefa tsy hinoanareo, amin’ny fomba ahoana no hinoanareo Ahy raha hitantara aminareo ny zava-misy any an-danitra Aho? 13Tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany, dia Ilay zanak’Olona izany.

14Ary toy ny nanandratan’i Mosesy ny bibilava tany an’efitra, no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, 15mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

16Fa tena tian’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay. 17Fa Andriamanitra tsy naniraka ilay Zanaka lahy ho amin’izao tontolo izao mba hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao amin’ny alalany. 18Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka sahady satria tsy nino ny anaran’ilay Zanaka lahy iray sy tokan’Andiamanitra.

19Izao no anton’ny fitsaràna: tonga teto amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa dia naleon’ny olombelona ny haizina toy izay ny mazava satria ratsy ireo asa nataony. 20Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava ary tsy manatona izany mba tsy ho hita miharihary ireo asany. 21Kanefa, izay manao ny marina dia manatona ny mazava mba ho hita tsara fa ireo asany dia natao arakan’Andriamanitra.”

22Taorian’izay, dia nandeha tany Jodia Jesosy sy ireo ny mpianany. Nitoetra fotoana vitsy tao niaraka tamin’izy ireo Izy ary nanao batisa. 23Ary Jaona koa nanao batisa tany Ainona akaikin’i Saleima satria betsaka ny rano tany. Nanatona azy ny vahoaka ary natao batisa, 24fa tsy mbola nalefa any an-trano maizina Jaona.

25Avy eo nisy fifandirana tamin’ny sasany amin’ireo mpianatr’i Jaona sy Jiosy iray momban’ny andro fisasana. 26Nanatona an’i Jaona izy ireo ka niteny taminy hoe: ‘’Raby, Ilay iray niaraka taminao tany ampitan’ny reniranon’i Joridana, izay nambaranao, indro, manao batisa izy, ary manatona azy avokoa izy rehetra.”

27Ary Jaona namaly hoe: ‘’Tsy afaka mandray na inona na inona ny olona iray raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. 28Ianareo ihany dia efa afaka ny vavolombelona amin’ny lazaiko hoe: ‘Tsy ilay Kristy aho,’ fa kosa: ‘Nirahina talohany.’

29Ny ampakarina dia an’ny mpampakatra. Ary ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra nohon’ny amin’ny fahenoana ny feon’ny mpampakatra. Izany, ary, no mameno ny hafaliako. 30Tsy maintsy mitombo Izy, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

31Izy izay avy any ambony dia ambonin’ny zava-drehetra. Izy izay avy eto an-tany dia avy eto an-tany ary miresaka momban’ny eto an-tany. Izay avy any an-danitra dia ambonin’ny zava-drehetra. 32Izy dia manambara ny momba izay hitany sy reny, kanefa dia tsy misy mandray ny fanambarany. 33Izay nandray ny fanambarany kosa dia nanamafy fa marina Andriamanitra.

34Fa ilay iray nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra. Satria tsy nasiany fetra ny fanomezana ny Fanahy. 35Ny Ray tia ilay zanaka lahy ary nametraka ny zava-drehetra teo ampelan-tanany. Izay mino ilay Zanaka lahy dia manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mankàto ilay zanaka lahy kosa dia tsy hahita fiainana, fa hitoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.”

36

Copyright information for PltULB